Filoha Rajoelina Andry: nitokana fotodrafitrasa maro ao amin’ny faritra Anosy

Manao tohivakana ny fitokanana fotodrafitrasam-pampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena ao amin’ny faritra Anosy. Natsangana ao an-toerana ny « Hôtel des finances » fahadimy eto Madagasikara.

Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny « Hôtel des finances » izay miorina ao amin’ny fokontany Lavitsina­nana. Fotodrafitrasa fahadimy amin’ireo Hôtel des finances manerana ny Nosy ity miorina ao an-toerana ity, taorian’i Sambava, Mahajanga, Antsi­ranana ary Toliara. Asam-panjakana manakaiky vahoaka. Io no tanjona kendrena amin’ny fametrahana ity biraom-panjakana ity. Hi­andrai­kitra ny asa sahanin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola toy ny fikirakirana ny volam-panjakana, ny fandoavan-ketra, ny fadin-tseranana, sy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary ny fisotroan-dronono ny birao. Ankoatra izay, manaraka ny fenitra rehetra izay efa natsangana ity biraom-panjakana ity. Mamaly ihany koa ny andry fahatelon’ny Fandaha­ra­nasan’ny filoham-pirenena mahakasika ny fahaiza-mitantana sy ny raharaham-panjakana manakaiky vahoaka.
Fizahantany

Nohajariana manontolo ny morondranomasin’i Libanona rehefa rava nandritra ny taona maro. Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny hanatsarana ny toerana mba hisarihana ireo mpizahatany. Ahafa­hana mankafy ny filentehan’ny masoandro tsara indrindra ny morondranomasin’i Libanona. « Tsy tahaka ny nandeha aty Taolagnaro raha tsy nandalo eto Libanona », hoy ny governoran’ny faritra Anosy, Rakoto­velomanantsoa Voahary. Efa tamin’ny repoblika faharoa no nisy ny fanatsarana farany natao an’ity toerana malaza ity, saingy tsy vita hatramin’ny farany izany. Noho izany, « ao anatin’ny asa fampandrosoana ny finiavana hanarina ny efa rava », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Niara-nisalahy tamin’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina tamin’ny fanarenana ny morontsiraka mirefy 2,5 ha. “Manana toerana ahafahana mitsangantsangana ianareo izao, misy an’ity toerana mahafinaritra ity. Manana fotodrafitrasa kanto sy mendrika ihany koa ny tanàna. Toerana ahafahan’ny mponina miala voly, mi­tsangantsangana, mankafy ny filentehan’ny masoandro”, hoy ny Filoham-pirenena, nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa.

Henintsoa H.

Partager sur: