Nisaotra ireo nitondra am-bavaka azy ny
kandidà depiote, Ramalason Olga. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, ny zoma hariva, ny tenany. “Valim-bavaka izao ka isaorana Andriamanitra fa afaka soa aman-tsara. Mankasitraka antsika rehetra”, hoy izy. Tsiahivina, naiditra am-ponja ny 23 avrily teo izy noho ny fiahiahiana kolikoly tao Antsirabe.
Nanentana ireo mpomba azy ny Firaisankina mba hiaro ny safidy amin’ny fifidianana, araka ny lahateny nifandimbiasana teny amin’ny Panorama, ny sabotsy teo. “Avelao hisafidy malalaka ny vahoaka. Atsaharo ny fanagadrana etsy sy eroa ary mijoroa isika ho any amin’ny firenena tsaratsara kokoa”, hoy Rakotovao Rivo.
Nitohy teny Ankadinandriana, Ambohimalaza hatreny Anjeva, ny fihaonan’ny kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy, eny Avaradrano, Andrianainarivelo Hajo, tamin’ny mpomba azy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fihainoana ny vahoaka izany. Teo koa anefa ny fanazavana ny raharaham-pirenena sy ny hanohizana ny tolona, amin’ny alalan’ny fifidianana.
Tsy mandeha amin’ny laoniny ny diplaomasia eto amintsika, araka ny nambaran’ny manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena, Raniriharinosy Harimanana. “Tsy manana traikefa ireo tendrena ary tsy mahafantatra ny tokony ho tombontsoam-pirenena…”, hoy izy.




