Fampielezan-kevitra mialoha : mitaky porofo marim-pototra ny Ceni

Mampiaka-peo amin’ny fahitana tsy fanarahan-dalàna etsy sy eroa, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny sasany amin’ireo kandidà hofidina solombavambahoaka. Nitondra valin-kafatra momba izany ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpa­mpakateny, Soava Andriama­ro­tafika, fa horaisina ny fepetra raha tena miseho tokoa izany. “Mitaky porofo izahay ahafahana manaraka sy mikarakara izany. Porofo tsy azo ivalozana ny fampielezan-kevitra mivantana hoe Fidio aho na izahay ka ampitao aty amin’ny Ceni”, hoy izy. Na izany aza anefa, tsy anjaran’ny Ceni ny mamaritra ireo fepetra samihafa mety hampiharina amin’ireo tsy manara-dalàna na mihoa-pefy. Efa misy ny rafitra manokana omen’ny lalàna sy fahefana mandray ny andraikitra rehetra mifanandrify amin’izany. “Mampita ny tatitra rehetra ny anjaranay raha miseho izany tranga izany”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa hatreto aloha tsy mbola misy ny lalàna eto amintsika manazava momba ity antsoina hoe Mialoha ny fampielezan-kevitra ity. Malalaka amin’ny ataony kosa anefa ireo kandidà ho depiote haneho hevitra sy hamory vahoaka. Voarara tanteraka anefa ny fanentanana na ny fiantsoan’ny kandidà na ny mpomba azy hifidy ny tenany na koa ny olona tohanany amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao.
Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 8 mey izao ny propagandy amin’ny fifidianana depiote ary hifarana ny 27 mey.

Synèse R.

Partager sur: