FANTINA sy FINTINA

Nandefa taratasy any amin’ny FMI ny Kolektifa momba ny fifampiraharahana amin’ny volan’ny Fec sy ny FRD. “Takinay ny mangarahara amin’izany. Tokony horaisina koa ny hevitr’ireo mpisehatra ara-toekarena eto amintsika ary hampandalovina ny Antenimiera vaovao, ny jona izao, izany mba hiantraika amin’ny aty vilany ny fifanarahana”, hoy izy ireo.
“Hanova ao anaty firaisankina isika”, hoy ny kandidà, Razafimanantsoa Hanitra, ny herinandro teo, teny Andohatapenaka I. Nambarany fa « mahavelom-panantenana ny mahita ireo mbola vonona hiady amin’ny fiainana na eo aza ireo fahasarotana maro atrehina. Tsapanay fa mora ny mifanampy rehefa ny mpiara-monina ihany no manolotra ny vahaolana”.
Mampiofana ireo hampiofana ny mpikambana amin’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) ao amin’ny biraom-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni, hatramin’ny anio, eny Alarobia. Hiparitaka any amin’ny faritra izy ireo ary hanofana ny any avy eo. “Tanjona ny fifidianana tsara omana, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana”, hoy ny filohan’ny Ceni.
Hohamasinina ho evekan’i Miarinarivo, ny 12 mey izao, ny mopera Rakotoarisoa Jean Claude. Natao veloma sy notsofin-drano afakomaly, tao amin’ny katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, eo anivon’ny diosezin’i Tsiroanomandidy ny tenany, mialoha izao hitantanany ny any Miarinarivo izao. Vikera jeneraly izy teo aloha…

Partager sur: