Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern

Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Alle­magne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany.
Anisan’ny lalao tena andrasan’ny rehetra anio, ny fihao­nan’ny Bayern de Munich sy ny Real Madrid. Fihaonana izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Allianz Arena Allemagne.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin-dry zareo Madri­liena ny bavarois amin’ity fifanandrinana ity. Ny taona 2018, nahintsan’ny Real teo amin’ny manasa-dalan’ny LDC ny Bayern. Ny LDC sisa no fanantenana farany ho an’ny Bayern mba hisorohana ny taona fotsy, nandritra ity taom-pilalaovana ity. Ny alarobia 8 mey ho avy io no hampiantrano ny fihao­nan’ny roa tonta, miverina, ny Real Madrid.
Ankoatra izay, hotontosaina rahampitso, any Allemagne ihany, ny fihaonan’ny Dortmund sy ny Paris Saint Germain (PSG).

Fitia Randria

Partager sur: