Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : “Atsaharo ny fanagadrana ben’ny Tanàna!”

Nanamarika ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, ny momba ny ben’ny Tanàna. Maro no enjehina sy any am-ponja. Tokony hatsahatra aloha ny fanenjehana azy ireny.

Hentitra ary nahitsy ny eo anivon’ny MFFT, manoloana izany. “Atsaharo mihitsy aloha ny fanenjehana sy fanagadrana na koa fiantsoana ireo ben’ny Tanàna eny amin’ny fitsarana”, hoy izy ireo. Ben’ny Tanàna miisa telo na efatra isaky ny distrika, amin’ny faritra notsidihin’ny minisitra, no voaantso eny amin’ny Bianco na koa ny Pac sy nampidirina am-ponja. Ani­san’izany ny any Diana, Sava, Atsinanana, Atsimo Andre­fana ary ny any Menabe. Mbo­la miseho izany amin’izao mialoha ny fifidianana izao, araka ny fanambarana. Ani­san’ny antony izany ny avy amin’ny mpifanandrina politika, ny fiovan’ny fampiasana ny volan’ny kaominina any amin’ny karaman’ny mpiasa raha tokony ho amin’ny tetikasa, ohatra. Eo koa ny resaka politika sy ny fitantanana amin’ ny ankapobeny. “Tsy misy rahateo ny sekolin’ny ben’ny Tanàna ary tsy midika ho fiarovana azy ireo izany… Andraisana fepetra kosa ireo tena nihoa-pefy”, hoy ny eo anivon’ny minisitera.

Fanatsarana
Tsy mitazam-potsiny ane­fa izy ireo, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny MFFT, i Said Ahmad Djaffar, fa efa mitady vahaolana amin’izao fotoana izao. “Tsy azo eritreretina aloha ny hanomezana zo tsy azo anenjehana ireo ben’ny Tanàna. Efa mandinika ny hanatsarana ny lalàna momba ny sata manokana ho azy ireo kosa anefa izahay izao. Anisan’izany ny fahazoan-dalana ahafahana manenjika azy ireo raha tsy manara-dalàna”, hoy izy.
Nanteriny koa fa iaraha-miasa amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana izany. Hohamafisina koa anefa ny fanofanana ireo mpitantana eny ifotony, hisorohana ny tranga tahaka izao.

Synèse R.

Partager sur: