SOMBIM-BAOVAO

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Ambohijatovo, fa handray ny « Africa Cup 2024 », taranja basikety 3×3, lahy sy vavy, i Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity, efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisana azy.

Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Ari­vonimamo, ny fifaninanana “Run 400 m”, taranja Rally, izay nokarakarain’ny Runmada. Nahazo ny fandresena tamin’ity dingana voalohany ity i Herizo Boarilaza na i Bobo. Laharana faharoa kosa, Rasoloarijaona Tahiana na i Jaytax, izay tompondaka tamin’ny taon-dasa.

Medaly alimo, azon-dRasoanaivo Laura, vehivavy judoka malagasy, ihany no nentin’ireo delegasiona malagasin’ny taranja Judo nody eto an-tanindra­zana, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Egypte, ny 24-28 avrily lasa teo. Tsiahivina fa mbola ao anatin’ny hazakazaka amin’ny ady tapakila hiatrehana ny Mondial i Laura.

Voahosotra ho tompondakan’i France, “Ligue 1” indray ny ekipa Paris Saint Germain FC, ny alahady lasa teo. Tsiahivina fa ny PSG ihany no nahazo izany ny taona 2023 lasa teo. Mbola hiatrika ny manasa-dalan’ny “Ligue des Champions 2024” moa izy ireo rahampitso. Marihina fa hifanandrina amin’ny Olympique Lyonnais izy ireo, famaranana ny « Coupe de France ».

Partager sur: