Yfomac Initiative : mpilalao telo vavy homena 50 dolara isam-bolana

Miditra amin’ny sehatra matihanina ny Yfomac Initia­tive, izay efa 5 taona. Hany sekolin’ny baolina kitra tokana mitaiza tovovavy fotsiny eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny ilay vovonana Next Best Player any New –York izy ireo. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Andoha­tape­naka ny fifanarahan’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany i Yannick Davidson, filoha tale jeneralin’ny Next Best Player sy Ny Anjara Rafalima­nana, mpamorina ny Yfomac Initia­tive.
Hisantarana ny tetikasa, mpilalao telo homena 50 dolara isam-bolana mandritra ny 5 taona, i Fanomezantsoa sy Hanitriniaina Sitraka Manan­tsoa ary Andriafanomezana Mitia. Raha misy ny fivoaran’ ny tsirairay, hiampy 2 hisitraka izany hatramin’ny faran’ny taona.
“Tsy hivarotra mpilalao fa handefa azy ireo ho lasa matihanina no tanjona, izay efa mizotra tsikelikely amin’izany”, hoy Rafalimanana Norbert. Nohamafisiny fa mifaninana amin’ireo lalao federaly ny Yfomac ary efa nandrombaka ny tompondakan’ny seksiona Atsimondrano 2023. Mikasa ny hiditra ao amin’ny Fihe­zama ny Yfomac, hahazoan’ izy ireo miatrika ireo lalao iraisam-pirenena misy. Tsiahi­vina fa nahazo fandresena 8 ny Yfomac tamin’ireo lalao iraisam-pirenena natrehiny, ny taona 2023. Ankehitriny, miisa 120 ireo mpilalao ao amin’ny Yfomac, misy ny sokajy U7 ka hatramin’ny U17, ary sahanin’ ny mpanazatra 13.

Tompondaka

Partager sur: