Mois : avril 2024

Transparancy International – IM: “Mahaiza mifidy ny kandidà sao hanenina”

Nanafatrafatra. Namoaka fanambarana ho an’ny olom-pirenena tsotra amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Trans­parency International – Ini­tiative Madagasikara (TI-IM). “Fanteno tsara ny kandidà hofidiana mba tsy hanenina”, hoy izy ireo. Notanisain’ny TI-IM amin’izany fa tokony ho olom-pantatry ny ny fiarahamonina ary mahafantatra ny fiarahamonina, sy ny tontolo […]

Hazakazaka amin’ny fifidianana depiote: Kandidà telo no efa eny Tsimbazaza ny tongony

Voafidy mialoha ny fotoana. Anisan’ny mampiavaka ity fifidianana depiote ity ny tsy nahitana afa-tsy kandidà tokana ihany no nirotsaka amin’ny fari-pifidianana iray. Tsy nisy mpifaninana ami­ny ny kandidà any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna amin’ny alalan’ny kandidà Rakotomaronirina Jean sy ny any Lalangina, Rivotiana Jean Bosco ary ny any Sambava, Mamangy Norbert […]

Dr Andriamaholison Jules : “Vahaolana no tadiavin’ny vahoaka”

“Vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy no tadiavin’ny vahoaka malagasy dia ny fandraisan’ny fitondrana ireo seha-pamokarana saro-pady”, hoy ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Amicale des anciens conseillers supérieurs de la transition et sénateurs de Madagascar (ACS), Dr Andriamaholison Jules, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’izany, ohatra, ny fitrandrahana volamena sy vato sarobidy, ny fanafarana […]

Ceni : nampahatsiahy ny fepetra ho an’ny kandidà

Vita teny amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika 120 manerana an’i Madagasikara, omaly, ny antsapaka ny filaharan’ny kan­didà amin’ny fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Araka izay ny ho filaharana amin’ny biletà tokana, takela-kazo fametahana afisy, fandraisana anjara fitenenana amin’ny RNM sy TVM. Mia­loha ny fampielezan-kevitra, manana dimy minitra amin’ny haino […]

Governemanta Ntsay Christian: Minisitra fito nametra-pialana

Voatery nametra-pialana ny minisitra fito avy ao anatin’ny governemantan’i Ntsay Christian. Kandidà depiote izy ireo. Efa samy any ifotony manomana ny fampielezan-kevitra. Nivoaka halina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, omaly, ny didim-panjakana laharana faha-2024-959. Manova ny andininy sasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024, […]