Mois : avril 2024

Ligue des Champions : hanala vela amin’ny Man City ny Real Madrid

Hotontosaina anio ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Cham­pions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City Angleterre sy ny Real Madrid Espagne. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium Angleterre. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny lalao […]

Lalaon’ny Barea sy Comores : handresy lahatra ny Caf hatrany ny FMF sy ny fanjakana

Tsy mbola very fanantenana ny fanjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa manaraka ny fangatahan’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf). Mitady ny hevitra rehetra hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto Madagasikara. Nampiantso mpanao ga­zety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahama­si­na, omaly, ny sekreteram-panjakana misahana ny Ta­nàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, […]

INDRAY MIJERY

Tapaka nandritra ny filankevitry ny filohan’ny oniversite, ny 15 febroary teo, fa havondrona amin’ny renivohi-paritany avokoa ireo mpanala fanadinana bakalorea tsy miankina ary hatokana amin’ny efitranom-panadinana iray. Hopitaly madio sy milamina. Io no tarigetran’ ny mpiasan’ny fahasalamana ka nanatanteraka fanadiovana faobe izy ireo hanolorana tontolo ara-pahasalamana ho an’ireo mpisitraka izany. […]

Mesupres : hatao anaty filaminana ny bakalorea

Mba tsy hisian’ny lesoka toy ny tamin’ny taon-dasa, amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ity taona ity, nisy ny atrikasa niarahan’ireo herivelona rehetra manana andraikitra amin’izany. Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitry ny tsirairay, mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana, izay voarakitra ao anaty rindran-kevitra, « Manuel de procédure relatif à l’organisation et […]

Famarinana olona : mijoro ny filankevitry ny manam-pahaizana

Ezaka fiaraha-miasa iray mikendry ny hiadiana amin’ny fanararaotana ara-nofo sy fitrandrahana mamoafady amin’ny internet (OCSEA) no nametrahana ny filankevitry ny manam-pahaizana. Tafiditra ao anatin’ny Drafitrasa hampitsaharana ny famarinana olona maneran-tany izany. Nampiantso ny fivoriana voalohan’ity filankevitry ny manam-pahaizana ity ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina sy ny […]