Mois : avril 2024

fifandanjan-kery politika : “Tsara raha mitsimbadika”

“Tsara raha mitsimbadika ny fifandanjan-kery eny anivon’ny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fampielezan-kevitra ho an’ny mpa­nohitra, ohatra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika, Ralambo­mahay Toa­vina, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Ry zareo mpanohitra izao no hery matanjaka ao amin’ny An­te­nimierampire­nena satria nisy 105 depiote tamin’ny raharaha fanangonan-tsonia nangatahana fifidianana hanaovana […]

Soafilira Princia : “Manana otrikarena Analalava”

Nambaran’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, fa betsaka ny asa fampandrosoana azo atao any amin’ny distrikan’Analalava. “Manana Otrikarena maro isika ary azo trandrahina tsara izany ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy, afakomaly. Olana koa anefa ny lalana ka nampanantenainy fa hamboarina ny mihazon’Antsohihy sy Analalava. Hampiroboroboina […]

Fifidianana depiote : Kandidà henjana ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra

Babany sy mafy avokoa! Andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ireo kandidà depiote amin’ny fifidianana. Anisan’ny miavaka ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra raha tsy misy ny fiovana ka samy mahafeno ny fepetra filatsahana avokoa izy ireo. Eo Ramboasalama Emi­lien na i Rambô. De­piote amperinasa saingy nosoloin’ny Firaisankina- Tim an-dRandriamasinoro Ny Riana. Hizara ve […]

INDRAY MIJERY

Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka eo Toliara hatrany Farafangana, vokatry ny alondrano avy any Atsimo. Hahery ny ranomasina ary mety hahatratra 3.5m ny haavon’ny onja, anio. Nahazo fampitandremana, noho izany, ny eo anelanelan’i Toliara sy Farafangana. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. […]

Fampiofanana momba ny BTP : hamaly ny filan’ny SIM ireo tanora 100 mianadahy

Nanomboka ny sabotsy teo, etsy amin’ny INPF, ny fampiofanana ireo tanora 100 mianadahy hianatra momba ny fandrafetana trano: BTP, maçon polyvalent, aide ma­çon- manoeuvre. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa izany. Tonga nampahery azy ireo, teny an-toerana, ny minisitra Rakotondrazafy Lala­tiana. Nanantitrantitra ny tokony hahatozoana […]