Mois : avril 2024

Morondava : mpanao gazety efatra tra-doza

Nentina niakatra eto an-dRenivohitra nampanarahina fitsaboana ny iray tamin’ireo mpanao gazety efatra niharan-doza tao Morondava, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Tra-doza nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Antenimierandoholona tany an-toerana, omaly, ny fiaran’ny polisim-pirenena iray. Nitaingina io fiara io anefa ireo mpanao gazety ireo. Tsy tafavily tamin’ny fihodinana mihazo […]

NisandoKA ho zandary : lehilahy iray voasambotra

aNosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho lietnà ao Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ny 1 avrily teo. Nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny Paka, nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana ny zandary ka sendra io lehilahy io. Tsy nanaiky nosakanana izy. Efa naharenesana fofona toaka, nanevateva ny zandary nanao ny […]

INDRAY MIJERY

Nizara fanampiana ho an’ireo tokantrano dibo-drano tao Taolagnaro vokatr’ilay rotsakorana ny BNGRC. Fianakaviana 340 no nahazo vary sy menaka ary voamaina. Nitarika ny fizarana ny prefektiora sy ny BNGRC ary ny komity lharano miaraka amin’ny CRM. Fitokanana ny Centre éducatif spécialisé Manjaka, ivontoerana manokana mandray ireo zaza autiste ao Mahajanga, […]

Cisco Mahajanga I: niofana momba ny voina an-tsekoly ny tale

Vita ny fampiofanana ireo mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ma­­hakasika ny fanamafisana ny traikefa amin’ny fisorohana ny voina an-tsekoily tao amin’ny Cisco Mahajanga I. Tanjona ny hampihena ny fahavoazana ary tsy hisian’ny fitavozavozana raha misy ny tranga tampoka hahafahana mamonjy ny ain’ny mpianatra tra-doza. Nodinihina koa ny momba ny […]

Foko Mikea: nentanina amin’ny fandrindram-piterahana

Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andro tratrarin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanaparitahana ny fandrindram-piterahana hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra. Niaraka tamin’ny tetikasa “Impact” izay vatsian’ny USAID vola ny hetsika natao tany amin’ny foko Mikea, distrikan’i Toliara II, ny herinandro teo. Ny ekipan’ny fitsaboana mitety vohitra na “clinique mobile” sy ny minisiteran’ny […]