Nifarana omaly ny lalao isan-tarika ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay natao tany Ouganda, taranja tenisy ambony latabatra “Ping-pong”. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’izany ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalao voafantin’i Ouganda, mpampiantrano. Raha hiverenana ny lalao famaranana […]
Mois : avril 2024
Kitra : nesorina ny SG sy ny DAF an’ny FMF
Miroso amin’ny fanavaozana ireo ekipa eo anivony ny komity mpitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Fantatra fa nesorina tamin’ny toerany ny sekretera jeneraly (SG) teo aloha sy ny tale misahana ny vola (DAF). Araka ny tati-baovao, ny talata 16 avrily lasa teo no nisaorana izy ireo, […]
Run – Mada 2024: hiaro ny anaram-boninahiny i Bobo Jr
Hiditra amin’ny dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ny Run ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hifampitana ao amin’ny sokajy Prorun ireo fiara matanjaka sy ny mpanamory kalaza amin’ity fifaninana ity. Hotanterahina eny amin’ny «piste» Arivonimamo, ny alahady ho avy izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny fehinkevitra nandritra ny fikaonandohan’ireo mpahay lalàna, tetsy Besarety, omaly, ny fanimbazimbana ny lalàna amin’izao fotoana izao. “Tsy azo ekena ny miraviravy tanana”, hoy izy ireo. Mivonona ny handeha amin’ny alalan’ny lalàna izy ireo hanasitranana izao manjo ny firenena izao. Anisan’ny nitarika izany ny Pr Ranjeva Raymond. Naneho ny fanohanany […]
Fandresena lahatra ny mpifidy: tsipahin’ny KMF/Cnoe ny fizaram-bola
Namoaka fanambarana manoloana ny tokony hametrahana fifidianana tan-dalàna ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Hentitra izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny rehetra hisafidy amin’ny fizarana vola sy fitaovana hahazoana ny safidiny. “Tahirin-kevitra momba ny fifidianana ihany no azo zaraina mandritry ny propagandy, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy […]




