Hiandraikitra vonjimaika ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Rafaravavitafika Rasata, minisitry ny Raharaham-bahiny. Tontosa omaly, tao amin’ny efittrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra Andriamananoro Augustin. Ito farany izay nametra-pialana noho izy ho kandidà solombavambahoaka. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny “Tranga”, rakikira fahatelon’i Lemanana. Mirakitra hira […]
Mois : avril 2024
Tarika Gen Rosso : hanao hetsika maro eto Madagasikara
Hanatanteraka fitetezam-paritra eto Madagasikara, manomboka ny 27 avrily 2024 hatramin’ny 18 mey 2024 ho avy izao, ny tarika Gen Rosso. Hanotrona azy amin’izany ny tarika Lahely. Italy no niavian’ny tarika Gen Rosso, saingy samy manana ny fiaviany kosa ny mpikambana ao aminy. Malagasy mikalo ny hiran’ity tarika ity eto Madagasikara […]
Tranomboky : mandray boky tonta
Misokatra sy mandray boky tonta na tsy miasa intsony ny tranomboky Analakely nanomboka omaly hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Tsy ao ihany fa misandrahaka amin’ireo tranomboky 16 manerana ny boriborintany enina ihany koa izany. Zavatra kendrena ny hampirisihana sy hifampizarana fahalalana. Hanamafisana ny fahazahoana mamaky teny ao anatin’ny fiarahamonina […]
Rado Ramaherison: « Tsy misy fiarovana ny zon’ny mpanoratra sy pôeta eto »
Tafiditra ho anisan’ny mpamorona ny mpanoratra. Tokony hisitraka ny zony araka ny tokony ho izy. Milaza ny heviny momba io i Rado Ramaherison, mpanoratra. Gazety Taratra (*) : Tsy misy fiarovana ny zon’ny mpanoratra sy pôeta, hoy ianao. Fa tsy ao anatin’ny Omda (Rafitra miaro ny zon’ny mpamorona), angaha ianareo ? Rado […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, tanterahina any Egypte, ny 24-28 avrily ho avy izao, ny ekipam-pirenena malagasy. Miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy izy ireo no efa any. Araka ny fandaharam-potoana, ny fihetsika mirindra “kata” no hanokatra ny fifanintsanana ho an’ireo mpandray anjara. Hotontosaina, anio, […]




