Mitohy ny fanamarihana ny Volan’ny miralenta ataon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Nentanina momba izany ary ny ady amin’ny herisetra sy ny tombontsoa azo amin’ny fandrindram-piterahana ireo ray aman-dreny mpiofana ao amin’ny foiben-dry masera ao Manazary, Miarinarivo Itasy. Miara-miasa ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ny oniversite frantsay, vatsian’ny AFD vola. Nosokafana […]
Mois : avril 2024
ankizy manana fahasembanana : mpitondra teny i Gilardy Totozandry
Mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana (manana fahasembanana na toe-tena varira), nanomboka omaly, i Gilardy Totozandry. Tohanan’ny Unicef izy amin’izany andraikitra izany. Manana toe-tena varira i Gilardy ary nahatsapa fa niteraka fanilikilihan’ny fiarahamonina izany. Nanomboka ny fahenin-taonany izy no nijoro hiady amin’ny fanilikilihana ny olona samihafa niaraka […]
Loto ateraky ny plastika: nitady vahaolana ny manam-pahaizana
Fampihaonana ireo manam-pahaizana mba hifanakalo hevitra sy hiara-hitady vahaolana amin’ny ady amin’ny fandotoana ateraky ny plastika no nataon’ny masoivoho amerikanina, ho fanamarihana ny Andron’ny tany, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina koa ny momba ny fitantanana ny akora simika sy ny fako, ny rariny sy ny hitsiny momba ny tontolo iainana […]
Dr Célestin Traoré : mitondra 48 dolara ny fanokanana vola 1 dolara ho an’ny vaksiny
Nitondra fivoarana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana vaksiny hisorohana ny fahafatesana. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny taorian’ny fiparitahan’ny aretina Covid, ka mila ezaka ny fanentanana ny olona sy ny tsy fahatapahan’ny famatsiana eny amin’ny tobim-pahasalamana. 50 taona amin’ity taona ity ny fandaharanasa fanaovam-baksiny maneran-tany, izay nitondra fivoarana tsara ho an’ny fahasalamam-bahoaka. […]
Fanapahan-doha: sorona sy fanakorontanana
Trangam-piarahamonina mampivarahontsana ny mahakasika ny fanapahan-doha olona tao atsimon’ny Nosy. Voamarina fa misy ny mpanao sorona. Misy ny fanakorontanana. Toy ny resaka taolam-paty, tsy hita mazava anefa ny tena “Deba”. Fanadihadiana. Nirongatra ny fanapahan-doha tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nifanindran-dalana tamin’ny halatra voamaso sy ny famonoana zaza varira izany. Nisy ny […]




