Grand salon économique de Madagascar : mampivondrona mpandraharaha samihafa

Nanomboka ny alakamisy ka haharitra telo andro ny hetsika «Grand salon économique de Madagascar», an­diany voalohany, karakarain’ ny Union Madagascar izay atao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana izany noho izy mampivondrona ireo mpandraharaha rehetra amin’ny toerana iray. Anisan’izany ny fadin-tseranana malagasy izay nitondra ny vokatra farany nataony. Ao anatin’izany ny fahombiazan’ny fomba fiasa ny fampiasana ny teknika ny «Scanning Intelligent» izay mitondra fanovana sy mampihena ny fotoana lany amin’ny fitiliana entana. Ha­namora ny fifanakalozana sy hampiroborobo ny tontolon’ny varotra sy ny fandraharahana ihany koa ireto fitaovana vaovao ireto, araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra iray ao amin’ny fadin-tseranana.

Toekarena
«Renivohitry ny toekaren’i Madagasikara i Toamasina, antony nanaovana ny Grand salon économique de Mada­gas­car ao an-toerana», hoy ny mpikarakara ny hetsika, An­dria­mamonjy Stella. Nam­ba­rany fa nisy ny fifanakalozana sy ny fampitomboana ny «ré­seautage» eo amin’ny samy mpandraharaha. An­koatra izay, nahitan’izy ireo lalam-barotra samihafa ihany koa ny hetsika. Fantatra fa mbola hotohizana any amin’ny faritra hafa ny hetsika “Grand salon économique de Mada­gascar”.

Henintsoa Hani

Partager sur: