Trafika iraisam-pirenena : Sokatra 1 000 sy varika 48 tratra tany Thaïlande

Mitohy ny trafikana harena voajanahary avy aty Madagasikara mankany ivelany. Tsy nionona amin’ny sokatra intsony fa niampy varika ihany koa no tratra tany Thaïlande.

Namoaka fampahalalam-baovao iombonana ny fikambanana WWF, ny Traffic, ny Alliance Voahary Gasy (AV) ary ny Transpa­rency International, omaly 3 mey. Nahazo loharanom-baovao ny polisy any Thaïlande, fa misy entana mampiahiahy avy any Indonezia, ny alarobia 1 mey teo. Nanao fanadihadiana lalina ny polisy thailandey, niaraka tamin’ny sampandraharaha Amerikana mikasika ny biby sy ny hazandrano, nitsongo dia ary nisambotra fiara efatra tao amin’ny hotely fiantranoana iray tao Muang Chumphon any Thaï­lande. Olona enina no nosamborina. Nilaza tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ny kaomandan’ny borigadin’ny polisy fa «lehibe indrindra tamin’ny nahatraranay bibidia indray mitranga ity. Raha zohina ny fiaviany, biby tsy misy afa-tsy any Madagasikara, tokony ho entina any Bangkok Thaïlande, Korea Atsimo ary Taiwan izy ireo».

Tambajotra matanjaka

Nambaran-dRafanome­zan­tsoa Simon, avy ao amin’ ny WWF, fa tena ilaina ny fanadihadiana lalina, hamantarana ireo tompon’antoka amin’ity trafika ity sy ny fanasaziana azy. Manamarina ny fisian’ny tambajotra matan­jaka sady tsara rindra ny hamaroan’ireo biby tratra. Ao anatin’izany ny fampiasana ny fitaterana an-dranomasina, namoahana ireo biby avy aty Madagasikara. «Mila hamafisina ny ezaka hiadiana amin’ ny fanondranana an-tsoko­soko ny karazam-biby na zavamaniry tsy misy afa-tsy eto Madagasikara», hoy ihany izy.
Misy ny fifanarahana iraisam-pirenena mifehy ny varotra biby na zavamaniry tandindomin-doza (Cites). Nilaza ny teknisiana mpikaroka iray
amin’ny sokatra, fa andrasana ny didy avoakan’ny fitsarana any Thaïlande mahakasika ity raharaha ity. Aorian’izany, jerena ny raha misy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Thaï­lande. Eo koa, ny ahalalana raha nanao sonia ny fifana­rahana Cites i Thaïlande, hamantarana raha hampodiana aty Madagasikara ireo varika sy sokatra ireo na tsia.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: