VAOVAO TAMBATRA

Voatendry ho tale jeneralin’ny orinasa Jirama ilay injerniera israelinina Ron Weiss. Hametraka paikady ho fanarenana ny orinasa ny tenany izay hiompana tanteraka amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina toy ny tetikasa Volobe sy Sa­hofika ary ny fametrahana ny toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro.

Hanohana ara-bola ny fandaharanasa (PAGFCE) ho an’ny taona 2024-2025 ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Tanjona ny hametraka lasitra ho an’ny fitomboana ara-toekarena matanjaka sy iraisan’ny rehetra, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary ny fitantanana ny sehatry ny angovo.

Notombanana omaly 3 mey, ny fivoaran’ny ady amin’ny andiam-balala. Anisan’ny nifantohana ny mahakasika an’ny zava-misy eto Madagasikara, indrindra ny any amin’ny faritra tapany atsimon’ny Nosy. Miara-miombon’antoka amin’ny fanataterahana azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Medd), ny IFVM, ny tetikasa Mionjo.

Hapetraka any Ambositra ny Toerana fampiroboroboana ny jono (Zep). Tanjona ny hampiroboroboana ny lalam-pihariana fiompiana trondro an-dobo, an-tanimbary, sns. Misy ny fampiofanana ireo tantsaha liana hisehatra amin’izany, tohanan’ny fitantanam-paritry ny Jono Amoron’i Mania.

Partager sur: