vehivavy mpandraharaha : mila tohana ara-tsaina

Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy malagasy ny tontolon’ny fandraharahana.
Ankoatra ny olana eo amin’ny famatsiam-bola entina hanodinana ny orinasany, sedra iray iainanan’ny vehivavy mandraharaha ny fanambaniana ny fahaizany. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahampiana tohana ara-tsaina avy amin’ ireo akaiky azy, ny ankohonany, indrindra ny vadiny. «Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny lehilahy malagasy ny hanohana ny vadiny», hoy ny ny filohan’ny Association des femmes auto-entrepreneures à Madagascar (AFAM), Andria­manandraibe Andrianina. Ilaina ny fanohanana avy amin’ny manodidina hahafahan’ny vehivavy mandroso. «Mazàna ambaniana ny fahaizan’ny vehivavy», hoy ny fanamarihan’ity mpandraharaha ity. Lalin-tsaina sy mahay mitsinjo lavitra, hoy izy, ny vehivavy mpandraharaha. Ankilan’izay, betsaka ny olana lalovana ao anatin’ny tontolo ka ny lafy ratsy avokoa ny ankamaroan’izany. Misy ireo voatery mijanona ka mampiato ny fandraharahany raha miady hanohizana fanohizana ny seha-pihariany kosa ny hafa.
Marihina fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny harin-karena faobe eto amin’ny firenena ny mpandraharaha malagasy

Henintsoa H.

Partager sur: