Andron’ny fanasan-tanana : nentanin’ny Sipromad ny mpianatra

Nankalazaina ny 5 mey teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana. Nan­dray anjara tamin’izany ny vondrona orinasa Sipromad, ka nentanina ny mpianatra, miisa 500, ao amin’ny EPP Ankorondrano. Tanjona ny hahalalan’ny ankizy fa zava-dehibe ny fanasan-tanana, mba hitandroana ny fahadiovana sy tsy hiparitahan’ny valanaretina. Nanolotra savony marobe, an-jatony, tanaty baoritra ny orinasa, niampy siny misy paompy ho an’ny EPP Ankorondrano. Nilaza ny Talen’ny asa ao amin’ny Sipromad, Araksan Houssein, fa tafiditra ao anatin’ny Andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE) ity hetsika ity, izay hotohizana hatrany. Nanka­sitraka ny fanohanana nataon’ny Vondrona Sipromad ny talen’ny sekoly, Rakotoarisoa Hortense. « Tena ilaina ny fa­nen­tanana ny mpianatra toy izao, mba hahaizan’izy ireo sahady ny fomba tsara », hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: