Fandrakofana ala : namboly zana-kazo 2 500 isa ny SPAT

Toy ny fanaony isan-taona, daty raikitra ho fambolen-kazo ho an’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (SPAT), ny voalohan’ny volana mey, ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Nam­boly zana-kazo 2 500 isa tao amin’ny ala arovana (parc) Ivoloina ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toa­masina. Ahitana karazan-jana-kazo 14, hazo ala avokoa, ireo novolena. Nampakarina ihany koa ny zana-kazo nambolena tamin’ity taona ity raha 1 500 isa izany tamin’ny taon-dasa, ho fampiroboroboana ny fandrakofan’ala ny firenena sy ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. « Hatramin’izay, mahatratra hatrany amin’ny 95% ny taham-pahaveloman’ny zana-kazo novolena ao Ivoloina sy Brickaville » hoy ny fanazavana voaray. Antoka ho an’ny famokarana sy ho fampandrosoana ny fiainana andavanandro ary ho fiarovana ny rohivoahary ny zavama­niry. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tontolo iainana, noho izy miantoka akora fototra amin’ny famokarana sy fanodinam-bokatra samihafa.

Sajo

Partager sur: