Taninketsa indostrialy: hamokatra paty 32 000 fonosana Arivonimamo

Mitohy hatrany ny fampandrosoana ny indostria eny ifotony ho fampivoarana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ho fanampiana ny tantsaha mpamokatra. Notoka­nana ny zoma teo, tao Arivonimamo, ny orinasa mpamokatra paty ao anatin’ny tetikasa « One District One Factory » (ODOF). Hamokatra paty 32 000 fonosana, izany hoe, 540 baoritra na koa 4 taonina isan’andro ny orinasa. Ity farany izay hotantanin’ny Malagasy mpandraharaha « Notre entréprise de transformation alimentaire de Madagascar » (NETA). Vary avy eto an-toerana no am­piasa hahodina ho vokatra ka ha­matsy atody ny orinasa ireo tantasaha mpiompy akoho ao Arivonimamo.

Fahefa-mividy

Hifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa ny hivarotana ny vokatra, araka ny toky nataon’ny mpitantana ny orinasa. Nilaza izy fa manodidina ny 800 Ar ka hatramin’ny 900Ar eo ny vidin’ny paty vokarin’ny NETA, raha 1000Ar no mihoatra avokoa ny vidin’ny paty amin’ izao fotoana. Ankoatra izay, miara-miasa amin’ny taninketsa indostrialy Nobel Fleur, mpamokatra menaka ao Ana­lavory ity orinasa hamokatra paty ity amin’ny fanodinana ataony.
Hahazo tombony mivan­tana amin’izao tetikasa izao ny tantsaha ary hanodina ny orinasa ireo tanora 10 tsy an’asa teo aloha. Marihina fa hisokatra tsy ho ela eto Anta­nanarivo sy any amin’ny faritra ny toeram-pividianana ireo vokatra avy amin’ny taninketsa indostrialy.

Henintsoa Hani

Partager sur: