Trafika iraisam-pirenena : tambajotra matanjaka no naka ireo sokatra 1 076 sy varika 48

Nanamarina ny vaovao mahakasika ireo sokatra sy varika tratra tany Thaïlande ny fanjakana malagasy. Hiara-kiasa ny roa tonta handravana ity tambajotra mpanao trafika ity.

Mitohy ny fanadihadiana lalina mahakasika ireo sokatra miisa 1 076 sy varika 48 avy aty Madagasi­kara tratra tany Thailande. Tsiahivina fa ny 1 mey teo no nivoaka an-gazety tany an-toerana sy niparitaka ity vaovao ity. Teratany vahiny 6 no tratran’ny polisy Thaïlandaise. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Antoine, fa hanohy ny fanadihadiana koa ny fanjakana malagasy ary tsy maintsy ho tratra ireo olon-dratsy.
Nanamafy ny tale jenera­lin’ny ladoany, Zafivanona Lainkana, fa miara-miasa akaiky ny fanjakana malagasy sy ny manam-pahefana thailandais. Mpikambana ao amin’ ny Cites toa an’i Madagasi­kara ihany koa i Thaïlande. Misy ny fiaraha-miasan’ny polisy roa tonta. Eo am-pikarakarana ny hampodiana ireo biby ireo aty Madagasikara izy ireo. Nambaran’ny minisitra Ando­nirina Max Antoine fa ho avy aty Madagasikara ny polisy thailandaise, hanohy ny fanadihadiana, miaraka amin’ny polisy sy ny sampandrahaha samihafa eto an-toerana. No­marihin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa tambajotra matanjaka no ma­havita asa ratsy iraisam-pirenena toy izao. Efa nisy tambajotra iray rava tamin’ ny volana novambra 2023, ka olona 4 no tratra. Fanaraha-maso ny morontsiraka
Tohizana ny hanamafi­sana ny fanaraha-maso ny morontsirak’i Madagasikara, manampy ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, sy ny seranan-tsambo. Niisa 319 ny sokatra ary varika 6 tratra, nanomboka ny janoary 2024 teo. Nahatratra 207 ny olona voasambotra. Fampidirana am-ponja sy fandoavana lamandy ny sazin’ireo meloka.

Njaka A.

Partager sur: