VAOVAO TAMBATRA

Hojerena akaiky ny fitantanam-bolan’ny orinasa Jirama. Marihina fa manana trosa hatrany amin’ny 3 535 miliara Ar ity orinasa ity, ankoatra ireo olana samihafa. Nilaza ny tale vaovao, Ron Weiss, fa hifantoka
amin’ny fampitana mankany amin’ny angovo azo havaozina ny fanarenana ny Jirama.

Hampihatra ny vidin’ny solika fandrehitra tena izy hatramin’ny taona 2025 ny fitondram-panjakana. Mandany 70-80 miliara Ar isan-taona ny fanjakana amin’ ny fanampiana omena ho an’ny solika fandrehitra. Hihoatra ny 30 000Ar isam-bolana kosa ny fandaniana ho an’ireo tokantrano mampiasa izany raha hampiharina ny vidin’ny solika vaovao.

Mahatratra 150 miliara Yens ny fatiantoky ny orinasa Sumitomo Corps, amina tetikasa efatra maneran-tany. Avy eto Madagasikara avokoa ny 89 miliara Yens misy ny fatiantoka izay avy amin’ny ny orinasa Ambatovy. Nihena hatrany amin’ny 50% ny vidin’ny tao­nina Nikela sy Kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pire­nena.

Mahatratra hatrany amin’ny 168% ny tahan’ny fanondranana ny tolotra niomerika eto Madagasikara tao anatin’ny 10 taona. Misanda 405 tapitrisa dolara izany tamin’ny taon-dasa raha 150 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2014. Mitentina 284 dolara tapitrisa kosa ny fanafarana nataontsika tao anatin’ny 10 taona izay nahitam-piakarana 49,47%.

Partager sur: