« Hackaton 2024 » : hatsaraina amin’ny alalan’ny niomerika

Mifantoka amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe ny “Hackaton” amin’ity taona 2024 ity. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 3 ka hatramin’ny 7 jona izao, ny andiany fahefatra. Misokatra ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra tia mikirakira ny teknolojia sy tetikasa vaovao, indrindra ireo miantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny niomerika ny fifaninanana. Hiompana tanteraka amin’ny « Fana­vaozana ny tanàn-dehibe, amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra » ny lohahevitra amin’ity taona ity. Tanjona, araka izany ny hampivondronana ireo hevitra tsara indrindra, hanatsarana ny fiainana an-tanàn-dehibe. « Milomano ao anaty sehatry ny niomerika tanteraka isika izao ka ampirisihina ireo tanora handray anjara sy hitondra vahaolana niomerika ho fanatsarana ny tanàn-dehibe », hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Maison de l’entrepreneuriat Ambohijatovo, oma­ly, nandritra ny fanolorana ny Hackaton. Miara-misalahy amin’izao fifaninana izao ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolon’ny teknolojia, toy ny Orange digitale, Nexta, Zafitody ary ny Centre, vatsian’ny Vondrona eoropeanina sy ny ONUDI entina hanohanana ny fampandrosoana niomerika eto Madagasikara.

Fiofanana

Aorian’ny fifantenana ireo tetikasa, hisy ny fampiofanana ataon’ireo ekipa voasivana mandritra ny efatr’andro, hiarahana amin’ireo « incubateurs » samihafa, ho fampivoarana ny tetikasany mialoha ny hanolorany izany, ny 7 jona. Hahazo tantsoroka ho an’ny fampandrosoana ny tetikasany mandritra ny herintaona sy fampitaovana informatika toy ny « tablette » ny ekipa telo mpandresy mialoha ny fanatanterahana izany. Ma­rihina fa tafiditra ao anatin’ny tanjona fampandrosoana ma­haritra faha-10 ity hetsika ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: