Mitohy foana ny trafika : Israeliana iray tratra nitondra sokatra 8, bibilava 4 ary tanalahy 23

Mipoitra indray ny hafa, na tsy mbola mifarana aza ny raharaha nahatrarana varika sy sokatra tany Thaïlande. Tratra nitondra sokatra sy bibilava ary tanalahy koa ny teratany israeliana iray, teny Ivato.

Tratran’ny Fadintsera­na­na teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny teratany israeliana iray, ny alatsinainy 6 mey teo. Karazany telo ny biby nentiny, nahitana zana-tsokatra miisa 8, bibilava 4 ary tanalahy 23. Saika handray ny fiaramanidina Ethiopian Airlines ho any Grèce ity vahiny ity. Miandrai­kitra ny fanadihadiana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny Fadintse­ranana ary hatolotra ny fitsarana avy eo ny raharaha.
Noraisin’ny fikambanana Turtle Survival Alliance (TSA) an-tanana ireo sokatra, hanaraha-maso ny fahasalamany, mialoha ny hamerenana azy any amin’ny toerana niaviany. Naterina any amin’ny toerana manokana, ahitana manam-pahaizana amin’ny fikarakarana azy kosa ireo bibilava sy tanalahy. Averina any amin’ny ala niaviany avy eo.
Vao ny 1 mey teo no na­mantarana fa misy tambajotra tratra tany Bangkok, renivohitr’i Thaïlande, niaraka tamin’ny sokatra miisa 1 076 sy varika 48. Tsy fantatra ny dia nalehany, fa raha ny vaovao avy amin’ny manam-pahefana Thaïlandais, nentina sambo ireo biby ireo. Avy any Indo­nezia, nampidirina tany Thaïlande, ary kasaina haparitaka any Korea Atsimo sy Taïwan.

Olona 8 nihaza varika
Raha aravona ireo tranga ireo, nentina tamin’ny zotra an-dranomasina ny sokatra sy varika tratra tany Thaïlande. Tamin’ny zotram-piaramanidina ny sokatra, bibilava ary tanalahy sarona teny amin’ny seranan’Ivato. Vaovao farany, nisy olona miisa 8 tratra nihaza varika, namotika ala ary namboly rongony, tratran’ny Dredd Atsinanana, ny Con­servation International ary ny zandarimaria tany amin’ny kaominina Sahambala, Fito, Satrandroy ary Antenina, ao anatin’ny Tandavanala Anke­niheny Zahamena (CAZ), ny 20 avrily hatramin’ny 4 mey teo. Azo heverina ireo, fa tena misy ny tambajotra mandrindra ireo dingana trafika ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: