Nanjono antsokosoko : sambo Sri-lankais roa voasazin’ny lalàna

Nilatsaka ny didy! Migadra roa volana an-tranomaizina ireo tratra nanjono antsokosoko taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nivoaka ny 2 mey ny didim-pitsarana ka voasazy mandoa lamandy 1,050 miliara Ar isan’olona miampy 900 tapitrisa Ar isaky ny fesotsy (dauphin) ireo mpanjono tao anatin’ireo sambo Sri Lankais roa (Ruth Baby sy Ruth Baby 3). Nogiazana ihany koa ireo sambo ka nomena ho ampiasain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, hanaraha-maso ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Nilaza ny minisitera fa mitotaly 25 ny sambo azony hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Tsiahivina fa tranga fahatelo niseho teto amin’ity firenena ity ny fanjonoana tsy ara-dalàna aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Tsiahivina fa mahatratra hatrany amin’ny 16 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantok’i Madagasikara amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN). Tafakatra ho 1,2 miliara dolara kosa izany aty Afrika atsimon’i Sahara.

Henintsoa H.

Partager sur: