Airtel Africa : nitombo hatrany ny fampiasam-bola

Miabo ny vokatra tao anatin’ny enim-bolana, vitan’ny orinasa Airtel Africa, izay nifarana
ny 31 marsa 2024 teo, na teo aza ny tontolo ara-toekarena ankapobeny tsy marin-toerana.

Manamarina izany ny fi­tomboana 9% ny isan’ny mpanjifa, mahatratra 152,7 tapitrisa. Nahatonga izany ny fampihenana ny sa­ran’ny famandrihana, ka lasa niakatra 17,8% ny mpamandrika mampiasa ny tolotry ny Airtel, miisa 64,4 tapitrisa, ka nitombo 20,8% ny fanjifana azy isaky ny mpanjifa. Nitombo 20,7% ihany koa ny fampi­asana ny fifanakalozam-bola «Airtel money» ary niakatra 38,2% ny vola nokirakiraina tamin’izany, izay mitentina 112 miliara dolara. Nahatonga ireo vokatra tsara ireo ny fanatsarana ny tolotra nomena ny mpanjifa.
Hotohizan’ny Airtel Africa ny fahombiazana ka hampitomboana ny fampiasana ny tanjaky ny fifandraisan-davitra 4G, izay efa mampiasa azy ny 95%-n’ny mpanjifa.
Nitombo 20,9% ny lelavola ankapobeny nokirakiraina ho an’ny telo volana fahefatra 2024. Niakatra 11,4% ho an’ ny tolotra fifandraisan-davitra tamin’ny finday ary 29,2% ho an’ny fampiasana ireo tolotra samihafa. Nitombo 32,8% ny fifanakalozam-bola tamin’ny finday.

Fiaraha-miasa maro
Rafitra ao anatin’ny Airtel Africa mitantana ny lafiny tsenam-bola iraisam-pirenena ny EBITDA. Marin-toerana, na­ha­tratra 48,8% ny tombony na­laina na teo aza ny fiovaovan’ ny lanjan’ny sandambola. Na­ha­tratra 46,5% izany ta­min’ny telo volana fahefatra 2024, satria nidina ny sandambola nizerianina Naira. Nitentina 89 tapitrisa dolara ny fatiantoka efa nanesorana ny hetra. Ma­hatratra 680 tapitrisa dolara ny ao anaty kitapom-bolan’ny Airtel Africa, ankehitriny.
Nisy koa ny fividianana renivola nahatratra 100 tapitrisa dolara, aloa mandritra ny 12 volana, ka 50 tapitrisa dolara ny ampahany naloa voalohany, ny marsa 2024 teo. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Unicef, mitentina 57 tapitrisa dolara. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta any Rwanda.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: