Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina

Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, ka vaky foana isaky ny vanim-potoan’ny orana. Nisy koa ny tetezana vitan’ny fokonolona any Soavinarivo.
Nohavaozina ny Birao ifotony ho an’ny fananan-tany (Bif) sady nomena moto iray, avy amin’ny tetikasa Casef, sady nizarana karatany miisa 1 700. Manodidina ny 10 000 ny karatany hozaraina ho an’ny ny faritra Itasy manontolo. Nohavaozina sady nohalehibiazina ny tsena any Ambohi­masina.
Notokanana ny tapaky ny volana avrily teo ireo fotodrafitrasa ireo. Anisan’ny nanatrika ny fotoana ny solontena maharitry ny Pnud eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn, niaraka tamin’ny tomponandraiki-panjakana malagasy maro.

Njaka A.

Partager sur: