Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)

Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, ni­zara ireo torohay sy fomba ha­natsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady si­antifika voamarina sy ma­hom­by avokoa ireo fomba entiko ha­natsarana ny serasera amin’ ny samy olombelona raha toa mi­ainga avy amin’ny hita sy traikefa niainana ny an’ny hafa», hoy ny fanazavany, omaly, tetsy Antanimena, nandritra ny fihaonana niarahan’ny mpitantana olombelona anaty orinasa (DRH). Tsy mitovy fijery sy tsapa, soatoavina ary fomba fiaina ny olombelona tsirairay ka mila harindra ny fahaizana miara-miaina anatina orinasa, hoy kosa ny manam-pahaizana iray avy ao amin’ny Tahiry fa­matsiam-bola malagasy ho fam­piofanana ny mpiasa (FMFP), Rakotovao Hery Ri­chard. Notohizany fa mila mirindra ny fifandraisan’ny mpiara-belona mba hahatrarana ny tanjona iombonana ary manana ny paikady hanatanterahana izany ny Dr Fabrice Lollia.

Paikady siantifika
Azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro sy eo amin’ny tontolon’ny asa ireo paikady siantifika nozaraina tamin’ireo mpandray anjara. Ohatra, hoy ity manam-pahaizana, ireo teknikam-pahombiazan’ny atleta iray izay azo entina hanatsarana ny sehatry ny fandraharahana. Zava-dehibe ny fananan’ny mpitantana orinasa na mpandraharaha ireo fomba mahomby hanatsara ny serasera eo anivon’ireo ekipa tantaniny hahatrarana ny tanjona iombonana sy hampirindra ny fahaizana miara-miaina.

Henintsoa Hani

Partager sur: