VAOVAO TAMBATRA

Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity.
Mampiranty sy mampahafantatra ny vokatra malagasy ny tsenabe iraisam-pirenena (FIM). Anisan’ ny vokatra mahasarika sy manaitra ny olona ny zezika azo avy amin’ny lalitra. Vokatra 100% bio sy azo ampi­asaina amin’ny fambelana isan-karazany. Azo jifain’ny rehetra mandritra ny hetsika eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ity voka-pikarohana ity.
Nihaona tamin’ireo vondron’ny mpamokatra sy ny Tranoben’ny tantsaha Mpamokatra ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suze­lin, ny 23 mey teo. Fanindroany izao fihaonana izao, atao isaky ny 3 volana. Anisan’ny nodinihina tamin’ity ny Tahirimbola fampandrosoana ny famokarana (FDA), hanohanana ny mpamokatra.
Vita, omaly tolakandro, ny fanoloana ny fitaovana « têtes de câbles » may, teny amin’ny toby Tana Sud Anosizato. Miverina tsikelikely ny famatsiana herinaratra amin’ireo faritra vatsian’ity toby ity ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Niasa andro aman’alina ny teknisian’ny Jirama nanatontosa ny asa.

Partager sur: