Famokarana angovo: voavaha ny olan’ny herinaratra ao Ambatondrazaka

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ho famaliana ny filan’ny vahaoka eny ifotony. Omaly, tao Ampasimanolotra Brickaville indray izy no nanolotra fotodrafitrasa sy fampitaovana ho an’ny mponina, ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Fanolorana milina fanamboarana «chips», fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fizarana zezika ho an’ny tantsaha ary fanolorana taratasim-bola ho an’ireo kaominina, anatin’ny faritra Atsinanana, izay vatsian’ny tetikasa “Pôle integré de croissance na “Pic” vola no natao tamin’izany. Tokantrano miisa 2 380 no nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tao Brickaville, omaly. Fanombohana ihany izao fa tsy maintsy hisitraka izany ny isan-tokantrano, araka ny na­m­baran’ny filoham-pirenena.
Nanohy ny fitetezam-paritra tany amin’ny faritra Alaotra ny delegasiona notarihin’ny filo­han’ny Repoblika, omaly. Nisy ny fanolorana ireo asa efa natomboka sy fizarana ny jiro, tany Ambohimandroso. Ankoa­tra izay, voaresaka tamin’ny mponina ny tetikasa “Riz Plus”, izay anisan’ny vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola, hatrany amin’ny 285 tapitrisa dolara. Anisan’ny hisitraka izany ny mpônin’ Ambatondrazaka. Ho jerena manokana ny fefiloha sy ny tohandrano izay nampitaraina ny mponina. Nisy ny fanolorana ilay toerana famokarana herinaratra tao Mangarivotra, izay miorina amin’ny velaran-tany 5 ha.
Nanararaotra nisaotra ny mponin’Ambatondrazaka ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny voka-pifidianana filoham-pirenena farany teo.

Lin

Partager sur: