Tanterahina ao amin’ny Palais des festivals ao Cannes, France, nanomboka ny 14 mey hatramin’ny 25 mey 2024, ny « Festival de Cannes », andiany faha-77. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ ny sarimihetsika maneran-tany. Fifaninanana maro, atrikasa, velakevitra sy valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin’ireo sangany sy manana ny maha izy azy […]
Mois : mai 2024
« Kitantara »: fihaonan’ny mozika sy ny slam
Tafan-javakanto, ketriky ny tanora manan-talenta sy feno aingam-panahy ny « Kitantara ». Aseho an-tsehatra ao amin’ ny Alliance française Antsirabe izany, ny sabotsy 18 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fifanojoan’ny mozika sy ny slam, hiangalian’ny andriambavilanitra 4 samy manana ny hanitra ho azy izany. Na Hassi, poeta sy mpanao […]
Diso famindra : nopotehin’ny « fanagasiana » ny teny malagasy
Andro vitsy sisa, tafiditra ao anatin’ ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » i Madagasikara. Vanim-potoana fanarenana ny lesoka. Fampahatsiahivana ny tantara sy fanitsiana ny dia ihany koa anefa. Anisan’ny niteraka ny « Raharaha 13 mey 1972 » ny fanaovana tsinontsinona ny mpianatra malagasy. Tafiditra tao anatin’izany ny fampiasana ny teny malagasy […]
Tsy fahafehezana lalàn’ny fifamoivoizana : 18 ny maty, 203 naratra tamin’ny fitondrana moto tamin’ity taona ity
Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy foana fa miha mitombo hatrany ny tahan’ ireo tranga sy ny fahafatesana vokatr’izany. Manodidina ny 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto) teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny volana […]
FANTINA sy FINTINA
“Tsy mbola hita soritra hatramin’izao ny fanovana nirintsika. Ny mpitondra no niova fa ny hadisoana sy ny fanao tsy mety miverina hatrany”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa manamarika ny tantara tokoa ny 13 mey. Tsy tokony ho kivy anefa fa antony hanohizana ny ady amin’ny fanovana izany. “Hatsahatrintsika amin’ny 29 […]




