Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, fa efa maromaro ny fitarainana voaray avy amin’ny kandidà, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny sasany amin’izany. “Entanina koa isika olom-pirenena hanao izany raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin’izao fampielezan-kevitra izao”, hoy izy, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa tsy mbola naka fepetra aloha […]
Mois : mai 2024
Resin’ny fiainana
Atao ihany ny tsy hiteny fa nakombona ny vava. Niniana nakimpy ny maso, notampenana ny sofina, manoloana ny andavanandron-dRamalagasy sy ny fahantrana lalina izay lalovany. Tsy hita ny hanazavana azy fa toa very sy mikorontan-tsaina avokoa ny olona. Malok’endrika sy mitanondrika izay rehetra mifanena eny an-dalana. Sanatrian’ny vava ho […]
Fivondronamben’ny eveka: ”Solombavambahoaka miaro azy no ilain’ny vahoaka”
Nitondra ny heviny mahakasika ny fifidianana izay ho solombavambahoaka ny Fivondronamben’ ny eveka eto Madagasikara (CEM). Mila olona hiaro azy ny vahoaka, hoy izy ireo. “Mila mahay manao fifaninanana madio sy mihaja ny mpirotsa-kofidina, fa tsy hifampitondra toy ny mpifahavalo. Ny asan’ny mazava dia ny soa sy ny fahitsiana ary […]
Behenjy : fatin-dehilahy nisy nandevina antsokosoko
Namoaka fofona maimbo, fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona, nisy nandevina antsokosoko tao Sarimasina, fokontany Kianja avaratra, kaominina Behenjy, afakomaly. Mpandalo no nahatsikaritra io razana io. Nampandre ny manodidina sy ny mpitandro filaminana izy. Nanadihady sy nijery ny zava-nisy ny zandary. Lehilahy fotsy fihodirana tsy nisy volon-doha fa lava volom-bava io nisy […]
Mitohy ny fampiraharahana: andrasana ny fampodiana ny volamena
Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia misy ny dingana vita. Nilaza ity tomponandraikitra ambony ity fa an-dalana ny fampiraharahana amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fampodiana ny volamena. Ireo tompon’antoka tratra ambodiomby, tany an-toerana, no nisava lalana ny entana. Tsiahivina fa ny 31 desambra […]




