Mois : mai 2024

FANTINA sy FINTINA

Nahazo taratasy fanesorana azy ireo sefo fokontany miisa 14 eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Voalaza ho manana ny firehana politikany manokana ka mampanahy amin’ny fiandaniana izy ireo, araka ny taratasin’ny sefo distrika. Nanao fitaraina eny anivon’ny fitsarana izy ireo, manoloana izany. Notoloran’ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa Avaradrano akanjo vaovao hoenti-miasa avokoa […]

vovonana firaisankina : miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila

“Miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila ary hampihatra ireo fahefana omen’ny lalàna azy ka handray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna maro mitranga”. Io ny fanambaran’ny vovonana Fi­raisankina novakin’ny filoha mpiara-mitantana, Ravalo­mana Marc, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra hanomboka ra­hampitso. Araka izany, miantso ny sehatra […]

Hafampana ny tanàna

Miavaka ity herinandro hitsahintsika ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta. Hazakazaka arahin-tosika tsy misy ohatr’izany. Lanonam-panokafana, fihaonan’ny birao maharitra, fandaniana ny fandaharam-potoana. Iarahana manatanteraka anio avokoa izany. Hita taratra eto tokoa ny maha lamasinina haingam-pandeha ilay fitondrana ny raharaham-panjakana. Mifanindran-dalana amin’izany, hanomboka ny fampielezan-kevitra […]

Fifidianana depiote : hanova paikady ireo kandidà amin’ny propagandy

Mety tsy hitovy amin’ny teo aloha. Samy manana ny fomba hitondrany ny fampielezan-keviny ireo kandidà solombavambahoaka. Efa samy maka bahana amin’ny hiatrehana izany ireo etamazaoro politika isan-tokony. “Mavesatra loatra ilay anto-bola nirotsahana hofidina ka tsy mitovy amin’ny fanao ma­hazatra ny hiatrehana izany”, hoy ny kandidà iray. Nana­mafy izany ny kandidà […]

TSELATRA

Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony taxi-be teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. teo am-piakarana ilay fiara fitateram-bahoaka izy no nandroso tampoka ny fiara ka tsy nahafahatra ny tongony. Naratra, vokatr’izany, izy saingy tsy noraharahin’ny mpamily sy ny resevera. Ireo olona nangoraka azy no nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Lasibatry […]