Mois : mai 2024

Rotary Vovonana : fanabeazana ara-tontolo iainana

Nanatona ny Rotary Antananarivo Vovonana (RCA) ny fikambanana Malagasy Brand Communication (MBC), hanampiana ny mpianatra ao amin’ny kolejy Md François de Sales Imerintsiadino Masindray. Nilaza i Nisa Rambel, mpandrindra ny MBC, fa voakasik’izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ary ny fanabeazana ny ankizy. Natolotra ny sabotsy 25 […]

« Autoroute Toamasina » : mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana

Tsy re tsaika, mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Mitotaly 250 km ity lalana ity, ary efa miroso amin’ny ampahany voalohany, mirefy 80 km, ny asa. Miainga eny Talata Vo­lonondry ny arabe mi­godana hatrany Toa­masina. Manatanteraka ny asa ny orinasa egyptianina Samcrete. Orinasa iray amin’ireo […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny trano fitahirizana fanafody vatsian’ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny programa Usaid/Impact, ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivohon’ity firenena ity. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitsinjarana vaksiny sy fanafody ara-potoana any amin’ireo distrika lavi-toerana, ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy, izy ireo. Namangy ny oniversiten’ i Fianarantsoa ny masoivohon’i […]

Fahasalamana : niampy 20 ireo farmasianina mpanara-maso

Notolorana fanamarinam-piofanana tetsy amin’ny INSPC Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo farmasianina mpanara-maso ny fanafody miisa 20 mianadahy. Mandalina misimisy kokoa ny fomba fampiharana ny lalàna eo amin’ny sehatry ny fikirakirana fanafody izy ireo. Hanara-maso ny fampiharana ny didy aman-dàlana, ny fanarahana ireo fenitra amin’ny famokarana fanafody eto Madagasikara ihany […]

Festival des initiatives vertes : homezan-danja ny fiarovana ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny […]