Mois : mai 2024

Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika

Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany. Hasiam-panavaozana goavana ny Amphi­théâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny am­banivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny […]

Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»

Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa An­driamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Rama­nantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilan­tosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa […]

Coca-cola-PFL: fantatra avokoa ireo manao ny manasa-dalana

Ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga, ny Disciples Vakinankaratra sy ny Zana­kala FC Fianarantsoa ary ny 3 FB Toliara no tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Playoff » “Coca-cola PFL”, taranja baolina kitra. Tsiahivina, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana, ampahefa-dalana miverin’ity fifanintsanana ity. Tsy tafavoaka tamin’ny Elgeco Plus Analamanga ny ekipan’ny Fosa […]

Karate – Fifaninanana Afrika Atsinanana 2024: «Tsy misy miala eto Madagasikara ny medaly volamena», hoy R. Emile

Hampiantrano ny lalao lehibe aty amin’ny faritra misy antsika i Madagasikara, eo amin’ny taranja Karate, ny volana jona ho avy izao. Hatao eto ihany koa ny fivoriambe faritra Afrika Atsinanana. Efa vonona tanteraka ny Federasiona malagasin’ny Karate-Do. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ny fiadiana […]