Mois : mai 2024

Tsilazaina : ramatoa naratra nove­lesim-badiny angady

Torana tsy nahatsiaro tena ny renim-pianakaviana iray manan-janaka roa novelesim-badiny tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ity raim-pianakaviana ity nahavita fihetsika mamoafady tamim-badiny. Efa ela no nisy disadisa ny tokantranon’izy mivady noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ataon’io vadiny io, araka ny fanazavan’ireo […]

Nidaroka sy nandrahona ho faty : miaramila valo naiditra am-ponja

Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny miaramila valo lahy, afakomaly. Notorian’olona noho ny fanaovana herisetra, tetsy Ampahibe izy ireo. Nidaroka sady nandratra olona, miaramila miisa valo nosamborina ka no­tanana vonjimaika eny am-ponja, ny 23 mey teo. Ny alin’ny 19 mey, nikotaba teo ivelan’ny tranon’ny olon-tsotra iray teny Ampahibe ireo miaramila, […]