UPFANKATIA : fahazoana olon-tiana anaty fandaharana televiziona

Sambany ho arahin’ny mpijery ny fandaharana tantara tena misy amin’ny televiziona, ilay antsoina hoe « téléréalité ». Hifaninana hahazo ny fon’ny tovolahy iray ny tovovavy miisa 12.

Manana tolotra vaovao ho an’ny mpifankatia indray ny Startimes sy ny UPTV. Misy ny fandaharana «Upfankatia», mahakasika fitiavana aseho amin’ny televiziona. Vehivavy miisa 12 no hi­faninana, hanao izay ahazoana ny fon’ny lehilahy iray, mba ho lasa olon-tiany. Ma­mo­­katra azy ny UpTV, ary ho hita ao amin’ny Startimes, mi­tantana fanapariahana karazana televiziona any ivelany sy eto Madagasikara amin’ny alalan’ny zanabolana.
Nambaran’ny mpiandraikitra ny fandaharana, fa an-tapitrisany ny mpijery afaka ma­naraka izany eto amintsika. Ho hitan’izy ireo ny fizotran’ny hitranga, ny fihetsem-po, ny fitaintainana isaky ny fandaharana. Hiseho eo ny fomba hataon’izy 12 vavy tsirairay hambabo ny fon’ilay lehilahy tokantena. Ho hita eo ny maha samy hafa ireo mpifaninana, ny lafy tsara na ny lafy ratsiny avy, ny fihetsem-po, ny fomba fisainana, ny anatin’ny fony avy, sns. Satria tanjony ny hahazo ny fon’ilay lehilahy, izay ho lasa olon-tiany avy eo.
Nomarihin’ny mpikarakara fa zava-baovao tsy mbola nisy teto amintsika mihitsy ity fandaharana an-televiziona ity. Araka izany, tsy zavatra omanina, na toy ny ataon’ny mpilalao sarimihetsika ny azy 12 vavy sy ilay tovolahy, fa tena izy, araka ny toetrany sy ny maha izy azy avy. Resaka fitiavana ihany koa ny vontoatiny, ho arahin’ny mpijery ary lasa hipaka any amin’izy ireo koa ny fanarahana amin’ny televiziona ny zavatra hitranga, amin’ny maha fandaharana tantara tena misy azy (téléréalité).
Hanomboka amin’ny 8 jona 2024 ho avy izao ny fandaharana Upfankatia amin’ny Startimes, vokarin’ny UPTV. Hita isaky ny sabotsy manomboka amin’ny 7 hariva. Afaka manaraka azy daholo ny mpanjifa ny Startimes manerana ny Nosy.

Njaka A.

Partager sur: