Mage 4 : Noravahana rindra an-tsehatra ireo hira

Ny tsara kokoa hatrany. Mahafehy ny tolotra nasehon’ny Mage 4 omaly izay. Nifandimby ny karazam-pihetseham-po nandritra ny ora maro niarahana.

Hafakely ny seho. Poro­fon’ny fanomanana ela no nasehon’ny tarika Mage 4 tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­masina, omaly. Seho niavaka tamin’izay hita hatramin’izay ny omaly, satria dia nisy rindra an-tsehatra nanaingo ny hira tsirairay. Niaina kokoa, nisy fanahy sy kanto nifameno teny an-tsehatra. Tsy dihy mirindra mahazatra, mozika rock rahateo no resaka, fa fampiainana ny lohahevitry ny hira tsirairay no nentin-dry Rayhas sy ny namany.
Toa ireny efa niaraka an-taonany maro tamin’ny Mage 4 ireny i Toky, raha ny tsapan’ny mpankafy. Tsara petraka avokoa ireo hira, toy ny « Raha toa ka », « Miandry aho », « Natao ho iray », sns, izay tsy nisy nivaona tamin’ny rindra nanaovan’ny tarika azy hatramin’izay. Tonga manokana niaraka tamin’ireo zandriny teny an-tsehatra rahateo i Lita, iray amin’ireo mpamoron-kira sy nanangana ny tarika.
Fifamenoan’ny traikefan’ireo zoky sy ny herijikan’ireo zandry taty aoriana no mampiaina ireo hiran’ny Mage 4, mahatonga ny laza mitoetra. Mbola nanaporofo izany ny nanasan’izy ireo an’i Nini, mpihiran’ny tarika Kiaka, nam­pivady talenta tamin’ny Mage 4. Tonga nanamafy ny fifan­katiavan’ny samy mpanao rock koa i Kix AmbondronA, fa nihira Mage 4. Tazana tao avokoa ireo tena mpankafy nanaraka ny tarika hatrizay. Tsindriana manokana ireo tanora mpankafy taty aoriana, mbola manamafy ilay fitohi­zan’ny kanto.
Eny, tsy feno ny lapa, saingy ny azo antoka dia tsy avy amin’ireo mpanakanto izany. Tsy mari-pandrefesana ny laza sy ny kanto rahateo, na dia mety ho avy amin’ny lesoka teo amin’ny fikarakarana iny seho lehibe iny aza. Ny ezaka amin’ny fanomezan-danja ny famoronana ara-javakanto toy ny nasehon’ny Mage 4 omaly rahateo no antony nanohanan’ny Orange Madagascar ny seho.

Zo ny Aina

Partager sur: