Mampahafantatra ny CUA fa adidin’ny tompon’alika ny miantoka ny fifehezana ny alikany mandritra ny fitondrany izany eny an’arabe. Adidiny koa ny miaro ny olona manodidina sy ny mpampiasa ny lalam-bahoaka. Voarara ny famelana ny alika hirenireny tsy misy fanaraha-maso eny amin’ny toerana ho an’ny be sy ny maro.
Misy ny fampitandremana mahakasika ny fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny ilany avaratra atsinanan’i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Mihatra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy atsimo ihany koa ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra.
Tanterahina any Taolagnaro ny « Freedom Festival » karakarain’ny masoivoho amerikanina. Izany no atao dia ho fapahafantarana ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Amerika sy ny faha-160 taona ny firahalahian’i Madagasikara sy Amerika. Mahazo tombony ireo tanora afaka mitsidika ny hetsika ary mampitombo fahalalana.





