Mois : juin 2024

INDRAY MIJERY

Naharitra 1 taona sy 8 volana ny fandaharanasa MTaPS izay iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 jona 2024 teo izany. Nahomby ny vokatra ary hanome lanja kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nisy ny fanomezana fitaovana informatika ho an’ny minisitera, izay ny DPLMT […]

WMG sy Inner Wheel : vehivavy 20 notolorana mari-pankasitrahana

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra ny avy amin’ny Inner Wheel sy ny Wed­nesdat morning group (WMG). Natao tetsy Ankorondrano ny hetsika, omaly. Nisitraka izany ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana miisa 20 avy eto Antananarivo. Niofana nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hanampiana ny vehivavy tena […]

Tily eto Madagadikara : manao fivoriambe iraisam-pirenena CPGS

Nanatanteraka fivoriambe iraisam-pirenena, CPGS, andiany fahadimy, etsy Antaninarenina ny skoto avy amin’ny fiangonana Protestanta. Mandritra ny telo andro, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso izany. Sehatra hifampizarana hevitra sy ahafahana manatanteraka hetsika ara-panahy eo anivon’ny skotisma ny fihaonana. « Fotoana hanaovana tombana ny asa vita nandrita ny fe-potoana teo aloha ary handrafetana […]

Andron’ny ankizy eto Afrika : manatsara hatrany ny fampianarana eto Madagasikara ny Unicef

Nankalazaina tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, ny Andro ho an’ny ankizy eto Afrika ho an’i Madagasikara. 60 mahery ireo mpianatry ny CEG sy EPP tonga nanatrika izany, avy any Fort Dauphin, Fenoarivo Atsinanana ary Analamanga. Lohahevitra nodihina, nandritra ny hetsika, ny fampianarana ho an’ireo ankizy lahy sy vavy afrikanina, tonga […]

Fiangonana Anglikanina : hiavaka ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Mpanentana

Tanterahina eny amin’ny Esca Antanimena, ny 21 jona 2024, ny «Messe Fiderana», hankalazana ny faha-20 taonan’ny Sampana Mpanentana, eo anivon’ny fiangonana Anglikanina Ava­ra­tranjoma. Hiavaka ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara satria ity « Messe Fiderana » ity no lamesa malagasy faharoa, nosoratana amin’ny gadona malagasy. Tanjona ny hananana gadona tena malagasy, […]