Mois : juin 2024

Fifidianana tao Faratsiho: Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”

Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”, avy ao Faratsiho, omaly, teny amin’ny HCC, Ambohidahy. Nitory ka mangataka ny hamerenana ny fifidianana ny Irmar. Tsy manaiky lembenana ny Firaisankina. Tsy nifampitsitsy! Nahitsy ny mpisolovava ny kandidàn’ny Irmar, i Lala­tia­na Rakotondrazafy, teo anoloan’ny mpitsara avo fa efa mpamerin-keloka sy tsy mpanara-dalàna […]

TSELATRA

Naiditra eny Antanimora avokoa ireo valo lahy voasaringotra tamin’ny halatra solika tao Talata Volonondry, omaly. Nanodinkodina solika teny amin’ny toerana hanamboarana ny lalambe migodana izy valo lahy ireo. Nanao ny fanadihadiana ny zandary ka niara-voatazona ireo voarohirohy. Niafara tamin’ny fihazonana am-ponja izany. Misazy dimy taona an-terivozona ilay mpiandry fonja voampanga […]

Avy nandray fisotroan-dronono: raim-pianakaviana sy ny mpiasany nisy namono tao an-tranony

Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny. Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy […]