Mois : juin 2024

Tetikasa PICM : antontam-baovao ara-barotra

Misy ny fitaovana niomerika antsoina hoe Varavarana misokatra ho an’ny antontam-baovao eto Madagasikara (PICM). Miahy azy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), miaraka amin’ny Komity na­sionaly manamora ny fifanakalozana ara-barotra (CNFE). Manohana ara-bola ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ao anatin’ny Tetikasa fanajariana ny rohy ara-barotra […]

Fihaonana an-tampon’ny Cnuced : laharam-pahamehana ny fampandrosoana

Lohahevitra anisan’ny voa­resaka nandritra ny andro faharoan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), oma­ly, tao amin’ny Palais des Nations ao Suisse, ny sehatry ny toekarena. Nitondrana fa­nazavana manokana ny poli­tika hampiroboroboana ny indostria ho antoky ny fifanakalozana ara-barotra mahomby. Eo ihany […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambohimanambola sy ny kaominina ambanivohitr’i Masindray. Hentitra ny fanajana ny fenitra mba ho fotodrafitrasa maharitra no vita eo. Takina amin’ny orinasa, araka izany, ny kalitao tsara. Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialantsiny noho ny fanelingelenana ho an’ireo mpampiasa lalana noho ny asa […]

Fananganana orinasa : nampahafantarina ny tanora ny tokony halehany

Nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny antanantohatra tokony haleha rehefa hanangana orinasa ho an’ireo tanora ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Nahatratra 118 ireo tanora liana ka nisoratra anarana ary nozaraina ho vondrona 4. Tanjona ny hanampiana ny olona hahafantatra bebe kokoa ny lalàna mifehy raha […]

Eglizy karismatika: miasa ho an’ny maha olona

“Miasa ho amin’ny maha olona manontolo ny Eglizy karismatika fiainam-baovao fa tsy mitory teny ho an’ny fanahy fotsiny ihany. Izany hoe, miasa ho amin’ny vatana sy saina ka antony nananganana ny sampan’asa fampandrosoana”, hoy ny mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Nanteriny fa hamelomana ny talentan’ny mpino tsirairay mba ho fanoitra hampivoatra […]