Mampahafantatra ny fandaharanasa vaovao, “Tsimbina”, izay tanterahiny ny Fid.Hiahy ankohonana marefo miisa 657 000 ity fandaharanasa vaovao ity. Fandaharanasan’ny governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hanohanana ny fianaran’ny ankizy ny fandaharanasa “Tsimbina”. Vatsy sy tantsoroka misy fanentanana sy hetsika entina manatsara ny fiainan’ireo ankohonana […]
Mois : juin 2024
TARATRY ny KANTO
Kiaka etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hifandao indray” ny lohatenin’ity seho anio alina ity. Hifandao vetivety ny marimarina kokoa, satria hitodi-doha ho any ivelany indray i Johnny, iray amin’ireo mpikambana. Fotoana iarahana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tsy afaka tamin’ireo seho nifanesy nataon’ny tarika Kiaka teo izany. “Generation 2000” – […]
«Festival international du film d’animation»: nisongadina ny horonantsarimiaina «Ala fady»
Tanterahina ao Annecy-France , nanomboka ny 11 jona 2024 hatramin’ny 15 jona 2024, ny “Festival International du Film d’animation”. Mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina maro maneran-tany no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ izany ny horonantsarimiaina « Ala fady », an’i Maneza, izay Malagasy mpanatontosa. Efa an-taonany maro no nisian’ny hetsika. Ankoatra ny fampivoarana […]
“Angano sy Mozika”: endri-panabeazana manakaiky ny ankizy
Izay mora raisin’ny ankizy no mahomby indrindra. Tratra ny tanjona tamin’ny “Angano sy Mozika”, endri-panabeazana iray voizina mandritra ny “Kilonga milalao”, any Antsirabe. Nambara hatramin’izay fa ny angano no endri-panabeazana nitaizan’ny Ntaolo ny ankizy. Teo ihany koa ny hira sy mozika, izay nifandovana nandritra ny vanim-potoana maro nifanesy. Koa naninona […]
Tarika Sahondrafinina Zanany: maty Rakotolava mpitendry lokanga
Misaona ny tontolon’ny Hiragasy noho ny voina nahazo ny tarika Sahondrafinina Zanany. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohimitarona, lalam-pirenena voalohany, mialoha ny idirana an’i Miarinarivo, ny tarika Sahondrafinina Zanany. Afakomaly hariva izy ireo no niharan’izany loza izany, rehefa avy nanao sehatra tao andrefan’ Arivonimamo ka handeha hamonjy sehatra any Bongolava. Maty, vokatr’izany, […]




