Nomem-boninahitra farany tetsy amin’ny fitsarana Tampony Anosy, omaly ny nofo mangatsiakan-dRakotondravo Henri Solo. Tonia mpampanoa ambony tao amin’ny fitsarana ambony ao Mahajanga izy ary nodimandry ny 05 jona teo. Nanao ny adidiny tamin’izany ireo eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Nitarika izany ny minisitry ny Fitsarana. Tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina miisa 18 […]
Mois : juin 2024
Adidy fa tsy seza
Vita izy izay! Nilamina ny zava-drehetra. Misokatra ho an’ny solombavambahoaka vaovao ny Lapa eny Tsimbazaza. Nivoaka ny didy tsy azo ivalozana. Tsy misy intsony ny fampiakarana raharaham-pitsarana na aiza na aiza. Izay te hiady amin’ny resaka ady heloka bevava sisa no afaka manenjika ny kandidà nifaninana, noho ny fandikan-dalàna hafa. […]
Filohan’ny HCC: “Maro ireo fitoriana nahafeno fepetra”
“Nahatratra 1 529 ny fitoriana voaray, ary nodinihina avokoa. Satria tafiditra ao amin’ny anjara andraikitry ny HCC, ny mpitsara, ireo fitarainana sy fifanolanana momba ny fifidianana solombavambahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HC C), Rakotoarisoa Florent, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Ambohidahy, omaly, taorian’ny famakiana ny lisitry […]
Voka-pifidianana: mipetraka ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimierampirenena
Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,omaly, ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy nifanalavitra tamin’ny vato navoakan’ny Ceni izany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, ny lanonana namoahana ny voka-pifidianana ofisialy, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 ny depiote nofidian’ny vahoaka. Handray ny […]
Tselatra
Notanan’ny zandary ilay ankizilahy 15 taona namono nahafaty ny renibeny 77 taona tao Tsararivotra, fokontany Antanambao, kaominina Ilaka Est, distrika Vatomandry, ny alatsinainy 24 jona teo. Nitaky trosa tamin’io zafikeliny io ilay ramatoa. Nodarohan’ ilay tovolahy anefa izy ka voa mafy teo amin’ny lohany sy ny tanany. Tapitra ny ainy […]




