Mois : juin 2024

Tenisy – “Billie Jean King III”: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Notontosaina, omaly, tany Nairobi Kenya, ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Billie Jean King”, vondrona III, sokajy vehivavy, taranja tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “A” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy […]

Fifanintsanana «Mondial 2026»: izao maraina vao tonga atsy Afrika Atsimo i Mali

Manana fahasahiranana ny Voromaherin’i Mali satria ny maraina teo vao tonga ao Afrika Atsimo ny delegasion-dry zareo. Araka izany, tsy hisy fotoana firy hizarana kianja sy toetr’andro ny ekipa malianina ka mety hanome tombondahiny ho an’ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona ma­lagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, […]

INDRAY MIJERY

Natolotra ny fitaleavana momba ny fampiroboroboana ny fahasalamana ireo fitaovana ara-teknolojia maro avy amin’ny tetikasa « Miarova », toy ny solosaina, finday avo lenta, fahitalavitra, fitaovam-pivoriana ampitain-davitra… Natokana ho an’ny fitantanana ny tsaho sy ny vaovao tsy marina mahakasika ny vaksiny ireo fitaovana mba hahafahana mampiroborobo ny fanaovam-baksiny. Alefa avy hatrany any […]

Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny Parc Ivoloina sy ny Alpha Ciment

Notanterahina tany Ivo­loina, ny alarobia 5 jona lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny valan-javaboahary, Parc naturel d’Ivoloina, sy ny Alpha Ci­ment. Nanatanteraka izany i Jaozandry Jean Jacques, talen’ny ONG Madagascar Fauna, misahana ny “Parc” sy i Zafindrantoanina Arivelo. Votoatiny ny fanamafisana orina amin’ny hanatsarana ny fisahanana ny tontolo iainana. […]