Mois : juin 2024

Manakara: nahazo dabilio miisa 250 ny EPP Tanakidy

Nisitraka fanohanana avy amin’ny orinasa Airtel Madagasikara ny EPP Tanakidy, Manakara. Nohatsaraina ny tranon-tsekoly, nahazo dabilio sy fitaovam-pianarana ny mpianatra. Manohana ny lafiny fa­na­beazana ihany koa ny orinasa Airtel Ma­da­gasikara, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy. Miisa 250 ny dabilio natolotry ny tale jeneraly, i Anne Cathe­rine Tchokonte, ho an’ny […]

TARATRY ny KANTO

Farakely etsy amin’ny Chez Pitou Behoririka. Tsikaritra tato ho ato fa nisesy isan-kerinandro ny “cabaret” tao amin’ity toerana ity, taorian’i Lati, hanafana ny fotoana anio alina indray i Farakely sy ny mpitendriny. Hitondra ireo sanganasany be mpankafy, fa hanolotra ihany koa ireo hirana mpanakanto hafa izay ankafiziny i Farakely. Ry […]

Mpilalao tantara amin’ny radio: hiaka-tsehatra eto Antananarivo ny Iray Fy’Art

Hiaka-tsehatra eto Anta­nanarivo ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, Iray Fy’Art. Hotanterahina etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar Trinite Masina, Mangasoavina izany, ny sabotsy 8 jona izao, iarahana amin’ny Sefada – FET. Hitohy ny alahady 9 jona etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar St Etienne Ambanidia izany. Karakarain’ny FET, Ekar Notre Dame de […]

Feno 80 taona…: Hiverina an-tsehatra i Bessa sy i Lôla!

Mpamoron-kira malagasy goavana indrindra. Tsy misy afaka ny mandà izany, raha hiresaka an’i Bessa. Feno 80 taona ity andrarezina ity, ka homarihina an-tsehatra izany. Olomangam-pirenena raha Ratsarisa Rand­zavola Rakotovao Rabe Samüel. Bessa no tena hahafantaran’ny maro, amin’ny maha mpanakanto, azy. Feno 80 taona amin’ity taona ity ny tenany. Andrarezina satria […]

Mora voarebireby: miandry fahagagana ny Malagasy

Vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana, nanjary miaina sy manankina ny fiainany amina kisendrasedra ny Malagasy. Tsy nijanona hatreo fa mitohy hatrany amin’ny fiandrasana ny asan’ny fahagagana. Tsy kolontsaina malagasy io. Naha­fantatra sy nanaja fatratra an-Janahary, ohatra, izy fa tsy nian­tehitra tamin’ny fahagagana tefen’olombelona. Io tsy fahampian’ny fahalalana io no mila […]