“Be loatra ny fahadisoam-panantenana ateraky ny mpanao politika eo amin’ny fiarahamonina. Mampihena ny risipon’ny Malagasy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena izay, indrindra amin’ny raharaha politika”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, tamin’ny faran’ny herinandro teo, momba ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka. Mampalahelo ny […]
Mois : juin 2024
Politika mampahantra vahoaka
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona: fiainam-bahoaka, sosialim-bahoaka. Tena mba tsaroan’ny ain’ny vahoaka ifotony hoe misy fihatsarana ahay ny fiainany andavanandro? Eo amin’ny fandriampahalemana, vidim-piainana, asa ivelomana… Ady amin’ny fahantrana raha ny marina. Ny fahantrana no fototry ny ratsy rehetra? Anton’ireo olana fototra ireo izay, nefa […]
Rakotoarijaona Jerry : “Mifototra amin’ny politika tranainy ny mpanohitra”
Mivoaka tsikelikely ny fironan’ny vakatra tamin’ny fifidianana depiote teo avy amin’ny Ceni. Nitondra ny heviny momba izany Rakotoarijaona Jerry, mpandrindra ny vovonana JPRM. “Mahalasa saina ihany ny fifotoran’ny mpanohitra amin’ny politika tranainy: rehefa resy amin’ny fifidianana dia midika izay fa nangalarina ny vatony”, hoy ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes […]
TSELATRA
Mpitondra scooter iray tra-doza teny Imerinkasinina, omaly. Nandeha mafy, tsy nahafehy ny familiana tampoka io lehilahy io. Vokany, nidaraboka tamin’ny tany ny moto. Naratra mafy ny faritry ny tavany sy ny lohany. Tsy nisy aina nafoy. Zazamenavava efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona nisy nanary tao ambany tetezana […]
Nokarohina nandritra ny enim-bolana : Jiolahy namono olona roa voasambotra
Tra-tehaky ny zandary ny talata 28 mey lasa teo, ny jiolahy tompon’antoka tamin’ny vono olona nahatsiravina niseho tao Amboasary Atsimo. Nifampitadiavana nandritra ny enim-bolana izy. Nataon’ny zandarimaria hazalambo, voasambotra ny 28 mey, tany Sakaraha, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny vono olona. Nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana olona miisa roa tao […]




