Mois : juin 2024

Barea de Madagascar: ho tonga anio ireo mpilalao ambiny

Araka ny vaovao nampi­tain’ny solontenan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra avy any Afrika Atsimo, ho tonga amin’ity alatsinainy ity ny andiany farany amin’ireo mpilalaon’ny Barea, hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mon­dial 2026”. I Loic Lapoussin sy ireo mpilalao avy atsy La Réunion, sisa ny hany […]

Ligue des Champions 2024: Tompondaka ny Real Madrid

Nafana tanteraka ny lalao famaranan’ny “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra, afakomaly. Mbola manjaka hatrany ny Real Madrid. Azon’izy ireo indray ny amboara rehefa nandresy an’ny Dortmund. Norombahin’ny Real Madrid indray ny amboara tamin’ ny “Ligue des Champions 2024”, ny sabotsy lasa teo, tany Wembley Angleterre. Lavon’izy ireo teo […]

« Zaza mifety » : nomena vahana ny atrikasa

Nosokafana ny sabotsy teo, tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fanokafana ny « Festival jeune public : Zaza mifety » andiany faharoa. Nomena vahana tamin’ity andro voalohany ity ny atrikasa. Anisan’izany ny fanamboarana fehin-tanana na « bracelet » amin’ny hoditra, niarahana tamin’i Lalaina Rakotoarinaivoson. Atrikasa ho fanatevenana ny fahaizan’ny zaza sy ny […]

Fifaninanana sary, andiany faharoa: nandrombaka ny voalohany Razafimbohitra David

Natolotra, ny sabotsy teo, ireo nahazo ny laharana efatra voalohany tamin’ny fifaninanana momba ny sary, andiany faharoa, « Ensemble pour le meilleur avenir ». Tetsy amin’ny Alliance Française d’Anta­nana­rivo Andavamamba no nanatontosana ny hetsika. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany Razafimbohitra Mahasetra David, mipetraka eto Antananarivo. “Nisafidy ny hanao ny sary ho mainty […]

FANTINA sy FINTINA

Matihanina amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ireo iraka manokan’ny SADC, araka ny nambaran’ny loholona Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niteny afa-tsy ny zavatra hitany sy reny izy ireo. Nilamina sy nizotra ara-dalàna ny fifidianana teto Madagasikara. Nanao ny asany ny Ceni, nangatahan-dry zareo ny hanampiana ny Ceni […]